Namana (Rina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy namana iray
tonga dia nifandray
nanoratra nitafatafa
tena tsy nihafahafa
Avy ianao tsy nisalasala
nanoratra ary nanambara
maniry te-ho namana
ary nitady fihavanana
Fa irery aty an-tanin'olona
ka tsy te-hiolonolona
sady tsy te-hangasihasy
fa alavitra ny malagasy
Indro fa tsy nihafahafa
an-tsoratra 'zaho sy ianao
ka dia nitafatafa
nifampilaza vaovao
Soa fa nisy tranonkala
nahafahana nifankahalala
tranonkala mpifandraisana
azon'ny rehetra iraisana
Mino aho fa tena ho namana
hizara ny ratsy sy ny soa
fa tsy ho mpinamanamana
ka hifankatia tokoa
Tsy voatery ho fitiavan'olon-droa
vao afaka hifanasoa
fa tena ao dia ao tokoa
fitia tsy mana-paharoa
dia fitiava-namana amin'ny fo
Amin'ny fo madio,
tsy misy takalony io
Na mitovy eritreritra na tsia
ny any tanjona dia ity
mpinamana foana isika
na eto na any am-pita
eny na dia tsy mifankahita
fa an-tsoratra ihany dia vita

Antenaina fa indray andro any
mbola hifankahita
ary dia hifananihany
sy hivanitika eo isika

(09-03-06)
--------
Lien:
Catégorie : Namana
1659 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142