Tiako ianao ....n (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao,hibitsika
ary koa hiritsoka
teny mamy,tsy ho lany
any ampoto-tsofiko any

Tiako ianao hibitsika
ary koa hitafa
ny fonao miritsoka
milaza,tsy mihafahafa

Tiako ianao hiteny
fa tsy hangina
tohizo ireny antso ireny
indrindra rehefa alin' iny


Tiako ianao hamaly
tsy an-kihambahamba
na tezitra na faly
ireo teny izay voalaza


Tiako ianao hilaza
izay tena ao am-po
mba tsy hampiasa saina
sy hampivadika ny loha

Tiako raha izaho sy ianao
no ifampizara,tsotra izao
ny alahelo sy hafaliana
izay no tena faniriana

(29-12-2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137