TOpi-maso monja (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako 'zaho sy ianao
fony vao nifankahita
samy nitsambotra
noho ny topi-maso 'tsika
avy hatrany dia nitsiky
na izaho na ianao
manambara avy hatrany
fa misy fitia ao anaty ao

Samy tsy niteny ny vava 'tsika
fa avy hatrany dia ny maso
no nampita
satria lay maso 'tsika nifanena
no any nanambara
fa tia ahy ianao
'zaho koa tia anao

Tsy voatery amboraka ny vava
na koa hilaza
fa ny topi-maso monja ihany
dia ampy ahavita an'izany

Soa fa nifanena ny fijeri-tsika
ka teo ilay fitia no niampita.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1166 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139