You are here: home > Vetso

ANY ANDRO IRAY - Ryana

Azo vakiana?

ANY ANDRO IRAY

Mbola mino aho
    Fa na mafaitra sy manganana no ateliko anio,
    Mbola hody mamy izany , any andro iray any;
    Fa na miloko mainty aza io volon-danitro io,
    Mbola handresy ny masoandro rehefa any aoriana any.

Mbola mino aho
    Fa na horohoro aza no manemitra ny nofiko,
    Mbola misy any ho any anjara rotsirotsy mamy;
    Fa na dia eso sy ireo latsa no hany ako ato an-tsofiko,
    Mbola himaona ihany ireo… any andro iray any.

Mbola mino aho
    Fa na dia sarotra aza anio izany hoe manadino,
    Mbola hivadika ny pejy, tsiaro sisa no ho tavela;
    Misy any andro iray, izaho tena mbola mino,
    Mino sady manantena ny fihaviany tsy ho ela.

Ryana
(22/09/2006)


Sokajy : Fanantenana, Fiainana

Hevitra mandeha

vetsoko (26/09/2006 13:53:30)

ny masoandro no mody
satria alina ny andro;
saingy adidiny ,tsarovy
ny miverina isan'andro;
hitondra hazavana
havimbin'hafanana

...tsoa

Ryana (28/09/2006 06:04:24)

Vetsoko,
Misaotra ê!
Ryana

tikitaky (28/02/2007 08:56:48)

Raha mandeha alina, aoka mba hisalotra
Mihira sy mitsiky raha sendra ny sarotra (scout)

Ryana (03/03/2007 09:27:19)

misaotra nitsidika Ra-Tikitaky â!
Ryana

Hametraka hevitra

Midira aloha