IRIAKO HO TENA MARINA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRIAKO HO TENA MARINA

Omaly ianao nitady,
Nanantona, nanaraka ary toa nanafatra,
Nijanona, niandry;
Nikanto, nisariaka nefa olona tsy fantatra,
Namboly resaka amiko,
Sanganehana aho... tsiky no navaliko.

Omaly ianao nibitsika,
Nilaza hamendrehana, nitory hatsaràna,
Fa hoe na maso ditsoka,
na sanatria jambena aza mahita ny hamevàna;
Fa hoe baliaka ny andro
Na takona any ho any aza ny masoandro!

Androany aho nanantena,
Niomana, nanomana fa hoe hahita anao;
Toa kanto izay jerena
Nanakoako an-tsofiko ny bitsibitsikao...
Fa tsy nijery akory ianao!
Niavona, nijadona, nandika ahy tsotr'izao...

Fa dia nahoana lahy...

Ny andro omaly ve no sehatry ny nofy
K'ianao zary jambena...
Sa ny andro anio no voararin-drofy,
Voaladina tangena...
Tsy takatro fantarina;
F'ireo teny mamy izay nambaranao, iriako ho tena marina!

Ryana
(27/06/08)
--------
Rohy:
2336 1
Mpakafy: randra92b
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173