"3A" (Atoroy! Ahitsio! Anaro!) (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... ] Atoroy ny marina aho ahafahako manefy
Ny vatako malemy mba ho hendry indray
Ahitsio ny saiko hahery ka tsy ho lefy
Hitady fahasambara-mbola tsy hitako hatrizay

Lazao mahitsy ange ny vavako tsy hiteny
Zava-tsy filaza na koa zava-tsy fanao ...
Faizo mihitsy àry aho raha toa ka nisy ireny
Lainga tsara lahatra, nanambakàko anao ...

Dia totory fananarana ny foko izay marefo
Rehefa injay misary loza amin' ny resaka fitia
Rahony ankolaka izy raha mitetika ny hisento
Tsy hisaina indray mandeha hamonjy ilay doria ...
--------
Rohy:
820 1
Mpakafy: Tojonyomaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Santatry Ny Omaly
Nampiditra : Tojonyomaly
Daty : 21/12/2017 12:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138