You are here: home > Vetso

Raha voamaina - Santatry Ny Omaly

Azo vakiana?

Raha maniry safosafo !
Mihinàna tsaramaso,
Raha te-hatoritory
Mihinàna voanjobory
Raha toa marary tenda a!
Mihinàna indray voanemba e !
Raha hoe marisarisa,
Mivokisa koa tsiasisa ,
...
Fa raha misy tena ilaina
Ao anatiny ao voamaina
Raha hanina ho aina
Tsy aleon' ity voamaina a!
Na atoandro na maraina
Tiako ny voamaina e !

Fa ny voamaina ange ry ise !
Ka mahasalama be !
Raha ohatra malemy
Mihinàna fa hahery
Raha ohatra malaina
Mampazoto ho' aho voamaina
Raha toa ianao tsy tia
Manandràma fa hahita azy
Raha toa ianao mahia
Mihinàna dia hatavy !

Sokajy : Hanina