You are here: home > Vetso

Ny fahasarotam-piaro - Santatry Ny Omaly

Azo vakiana?

(...)
Ny tovovavy ve !
Raha ny tovovavy no antsoiko ho saro-piaro !
Tsotra be ny antony
Satria tiany ianao ho azy irery
fa tsy hitambarany amin' ny hafa
Ary ao anatiny ao ny ventso sy ny hira ...
Hanaja ilay safidy amin' ny andro sisa hodiavina ...

Ny tovolahy indray !
Raha ny tovolahy kosa no lasa saro-piaro
Aoka Ikala hitandrina
Fa sahady filàm-baniny iny
Midika faniriana, hoe leo ka te-hisaraka
Babon-drendrarendra , dia nisaina ny handao , nieritreritra ny hiala ka   : "nody saro-piaro" !

Fa ny fahasarotam-piaro
Mety ho hevitra fitiavana ...
Fa ny fahasarotam-piaro
Mety ho hevitra fandavana ...
Fa ny fahasarotam-piara
Mety ho marika fitia
Fa ny fahasarotam-piaro
Mety ho fihatsaràna ivelatsihy