Manina (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko manirery ...
Miventso anao mangina
Resy tsy mahateny ...
Fa manin' olon-tiana

Ny foko torotoro
Ritra sady foana ...
Banga anao tontolo
Sina sady moana ...

Ny saiko malahelo ...
Misioka aneritr' eto
Mihira toy ny avelo ...
Fa potiky ny sento

Ny saiko mora lao
Mila anao fiarovana
Mba aiza re ianao e?
F' izaho aty torovana !

Ny vatako aza maina ...
Tsy misy mpanavao
Toy ny nofo lavitr' aina
Fa banga ny alokao ...

Ny fanahy no hany sisa ...
Reko mba nanjelatra
Sainga raha namisa ...
Dia indrisy tapak' elatra !
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1182 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01