Andramo aloha ny torana ! (Santatry Ny Omaly)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andramo aloha ny torana !
Dia ho hitanao ny tohiny
Fa raha ny lasa no ho fatorana
Tsy hay izay vodiny sy lohany
...
Raha ho avy ianao hitolona
Tsy ahoako izay ho vokany
Ny ratsy no hitambolona
Hanabanky izay mba lokany
...
Fa tsotra ny ahy ny kajy,
Ny kajinao tsy fantatro?
Moa ny foko tsara ho avy
No ho baraingoinao ankamantatra?
...
Fa andramo aloha ny torana !
Dia ho hitanao ny sohitiny e
Hivaro-drano ianao, hanorana
Hiraikidraikitra ny ditiny ...
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
553 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Santatry Ny Omaly
Nampiditra : tojonyomaly
Daty : 28/05/2021 20:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011