Ao anaty nofy (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao anaty nofy no hisambarako ny tsara,
Ao no pejy tokana mamintina ny androany,
Ao anaty nofy no hamaritako ny anjara,
Hisantarako sahady ny any ambadika any,

Ao anaty nofy no hahitàko fitsaràna,
Ao no misy marina tsy resin' ny hery setra,
Ao anaty nofy ... Ao no misy fahagagana,
Hampiato ny fotoana, hanafoana ny rehetra,

Ao anaty nofy no hany lanitr' ireo ory,
Ao no paradisakely mampitsiky ny mijaly
Ao anaty nofy no hifoha ny fo matory,
Lapa volamena hoan' ny maso mpitomany !

Ao anaty nofy no afoben' ny tsara sanga,
Ao no fonja fito famitàny anjara sazy,
Ao anaty nofy ! ... Ao no hahiratra ny jamba
Efitra hahitàny, ny tontolo manodidina azy ...

Ao anaty nofy no handrenesako ny kintana,
Hibitsibitsik' amiko ny marina nafenina,
Ao anaty nofy no hany sisa anjara vintana,
Famelàna farany hoan' ny olona nanenina !
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1236 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098