You are here: home > Vetso

Avelao ! - Santatry Ny Omaly

Azo vakiana?

Angamba ianao hanenina
Hahatsiaro ny fahiny
Rehefa injay hitelina
Iny ranon' embona iny

Angamba ianao handre
Ny feon' ny efa maty
Mbola koa miadala hoe !
Raha mba teto mantsy !

Fa any foana angaha ny saina
Ny fo sy ny eritreritrao !
Fa ny azy ange  ny aina
Efa ambadika tontolonao !

Avelao ny fony mba hatory
Avelao ny fony f' aza tanana
Avelao ny ainy mba ho intsony
Avelao mba handry am-piadanana !