You are here: home > Vetso

Ambin-tsoratra - Santatry Ny Omaly

Azo vakiana?

...
...
...

Dia novinaky ilay fitia
Natonta mba ho roa
Dia nisaraka satria
Samy tofoka ny fo !

Ireny rediredy ireny
Nampanentana fitsiky
Zary hira toa nanjeny
Zary kalo toy ny ts'isy

Iny volana fitaratra
Nandravaka ny alina
Indrisy fa niraraka
Nanakona ny marina !

Ka ho afeniko ny penina
Namanto ny endrikao
Fa ho soloiko nenina
... Olon-tiana vaovao !

Dia ho dorako iniana
Ny taratasy tsy fambara
Fa ny soratro mangina sisa
No ambiny ho tantara !  

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

Tojonyomaly (03/05/2016 10:24:45)

Ankafizo !