Fombam-pitiavana (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)
Folapolaho hoe ny fitiavan' ny tiana !
Ary aza hamelàna raha tsy mitaraina
Toratoràno amin' ny fara-fodiana !
Baboy ho domelina mandra-maraina

Rehefa mikiaka dia iny avelao
Ka tambitambazo sy langolangoy
Amin' ny oro-pitia sy fitiavana vao
Ibitsibitsiho dia mba safosafoy !

Ka tahafo amin' izany ny fomba fitia !
Fa ny adin' ny fo dia fitiavana ihany
Manidy fanahy dia misafoaka ery
Kanefa ilay tiana efa tokana an-tany

Ny ampitsony mantsy efa mandrakizay !
Dia fiainam-baovao any ankoatra tontolo
Fa ny eto ny aniony dia mbola ilay hoe :
"Mahaiza-mitia amin' ny fo manontolo ! "
(...)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2466 5
Hevitra mandeha
Tojonyomaly ( 03/05/2016 10:27)
Ankafizo !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015