Tiana manaraka (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...) Saingy tsy mora ny hisaraka
Eny, sarotra koa ny mandidy
Hiandry ny ho avy miraraka
Hanadino ny lasa nangidy

Mangidy tokoa eny izany
Mifandao amin' ny olon' ny tany
Fa mafai-mampijaly kokoa
Ny fandaozan' ny olon' ny fo

Banga ilay hany mba toerana
Voafaritra anaty am-panahy
Fa ny lasa, dia any tsy ferana
Fara-hery ny hoe mivavaha !

Mantsy tsy mora ny hitia
Eny, sarotra koa ny misaraka
Kanefa tsy maintsy satria
Sasa-miandry ny tiana manaraka ! (...)
--------
Rohy:
1042 1
Mpakafy: Tojonyomaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137