ALINA MANGINA (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany hono, ny alina fahavalo?
Kanefa toa nanjary lasa namana tsy foiko
Fa mandondona fanahy hiainga mba hikalo
Ireo nofinofy mamy, manenika ny foko.

Dia ampanoratiny aho mandritra ny ora maro.
Injay fa enoko, ho mitsingevaeva
Ilay saiko izay mahita ireo loko mifangaro,
Toa sarotra hazavaina, fa soa sy tena meva.

Tena babony aho, fa aza omena tsiny
Nanjary nifaningotra ny fo sy ny sainay,
Ka toa tiako ny angolany, ny hantako toa tiany,
Anaty soratry ny penina no hifandraisanay.

Alina manginako, sakaiza tena mamy.
Na mafaitra toa inona ny tsiron'ity fiainana,
Na mavesatra toa inona ireo senton'ny tomany.
Dia ho tony lalan-dava ny fo sy ny fisainana,

Satria, voatambitambinao amin'ny teny tsy voaisa
Ry alina sakaizako, namolavola ahy koa,
Ho olon'ny fanahy, hivetso sy hitanisa
Ireo nofinofy mamiko, mahasambatra ahy tokoa.

Tara-masoandro
01/10/2019
--------
Rohy:
1128 2
Mpakafy: rodin19 - Tara-masoandro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148