ILAY POETIN'NY FITIA - Tara-masoandro
Dia nandrevy irery teo,
Tsy nahakimpy ireto maso, fa nidiridiry monja, toy ny lasa amboroa.
Tsy teto an-tany angamba, fa asa re nankaiza izany saina toa domelina,
Domelin'ireo lokon'ny tontolo anaty zava-boary.
Ny rivotra malefaka fitsoka
no mba nanosika ny rotsak'orana hisafo ireo takolaka efa mivaivay sy mena midorehitra,
Midorehitra fitia nipololoitra avy any anaty.
Efa minitra maro izay no niredareda teo, ilay afo toa nandoro saika nampitsonika hatramin'ny havokavoka.
Fa izy kosa, nijanona ho moana, ireo maso moa nivandraka,
fa tena latsa-damba tamin'ny hatsaran-java-kanto.
Ny peniny ihany no, navelany hanoratra tsy han-kiato.
Ary ireo karazan-doko no nahosony hitambatra,
Hampiseho ilay nofy an'eritreriny,
ireo konetaky ny fony,
sy ireo ainga misiteriny(...)
Tara-masoandro
Hevitra mandeha
Tara-masoandro (06/10/2020 00:43:04)
Misaotra indrindra tompoko niangaly ity tononkalo ity tamin'ny feo manga fa tena tiako be sady mahafinaritra be mihaino azy.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Tara-masoandro

Nampiditra : Tara-masoandro
Daty : 28/09/2020
Mpamangy : 322
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY ILAY DIARIKO MALALAMARAIM-BAOVAO
MIFANINGOTRA AINA
NOFIM-PAHASAMBARANA
AKON'NY TARAM-PITIAVANY
MIFOHAZA IANAO FANAHY
HANTAHANTAKO
RANOMASIM-BE
ALINA MANGINA
DIA LAVITRA ANATIN'NY SAINA