RY ILAY DIARIKO MALALA - Tara-masoandro
Azo vakiana?
Ireo vetsoko mangina noraketinao an-tsoratra,
Aoka re hijanona ho tsiambaratelontsika.
Na takelaka iray monja, aza avela hisy hisokatra,
Fa lafo vidy loatra ireo ranomainty ritra.
Sarobidy mantsy
ireo teny an-tapitrisa tsy laitra nofihinina...
Aoka izany re ho tsiambaratelontsika.
Dia'lay sombin-dravin-draozy niangaviako ho tehirizina
Fehezo anatin'ilay pejy, mba hiafina tsy ho hita.
Io mantsy, 'lay pejy saro-pady mifono misitery.
Ka aoka re hijanona ho tsiambaratelontsika...
Tiako mba voaharo, tsy ho voasompatra amin-kery
Satria, nosoratako ao ihany 'lay fanalahidinao, sy ny toerany mangina.
Ôh... ry foko izay mitempo, mpandravaka ny anatiko
Ianao io re ilay diariko, mpandrodana ny ankasoko (...)
Tara-masoandro
21/09/2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Tara-masoandro

Nampiditra : Tara-masoandro
Daty : 21/09/2020
Mpamangy : 315
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ILAY POETIN'NY FITIAMARAIM-BAOVAO
MIFANINGOTRA AINA
NOFIM-PAHASAMBARANA
AKON'NY TARAM-PITIAVANY
MIFOHAZA IANAO FANAHY
HANTAHANTAKO
RANOMASIM-BE
ALINA MANGINA
DIA LAVITRA ANATIN'NY SAINA