MARAIM-BAOVAO (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey ny feom-boromanga kely misitsioka vao maraina
Mahamirana ny tava, mampisokatra ny saina.
Hay tsy izany irery no tazako avy lavitra
F'ilay taratr'andro meva mitsilo sy mandrafitra
ny anaty manontolo,
Toa velombelom-bolo
Fa, lavitry ny nofy ratsy lava
Mpamotika, mpandrava
Ny anaty efa mitroatra
Ka tsy tiako ho tafahoatra
Ny ngidim-pahoriana amin'ny fiainam-pijaliana.
Ny angovo hentinao dia mitondra fifaliana
Misisika amin'ny hoditro, hery ho an'ny nofoko
Ka ireo fahasambaranao no lasa nofinofiko.

Resinao, resinao ireo fakon'eritreritra
Voapotipotikao amin'ny taratrao izay hentitra
Sy mpandoro ny hozona mitoetra amin'ny fakan'ity foko.
Endrey ry taram-pahazavana mpanazava indray ireo loko,
mifandimby anaty masoko maneho ahy sary an-tsaina ny fiainam-pahasambarana.
Babonao aho ka tomoera amin'ny aiko, ny tsikinao tsy tiako hifarana (...)

Tara-masoandro
16/04/2020
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
612 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159