MIFOHAZA IANAO FANAHY (Tara-masoandro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ambany lasa ambony, ny ambony lasa ambany
Sa va re, mitsingolika ny tany?
Ny tsara atao hoe ratsy, ny ratsy atao hoe tsara
Dia ny olon-kendry indray no lazaina fa adala,
Ny adala kosa no indro, toa tompoina sy andrianina
Na dia tazana amin'ny tsikiny, 'lay poizina mahafanina
Sy mandoaka indray ny fery
vao manolatra ao anaty.
Eeh, fanilon'ny haizina no entiny hanafy
'lay fanahy tso-piaina kely madio tsy misy pentina,
Ka ny kalon'ny horohorony no indro toa ventesina,
Satria...
Voalangolangony amin'ny teny mamy, kanefa miharo fitaka.
Ny lainga no hafafiny,
ny marina voahitsaka.

Nefa indrisy...
Ny fijery mitsimbadika,
Ka jamba tsy mahatazana ny miafina ao ambadika
Ambadik'ireo ratsy izay lazaina fa hoe soa
Ka 'reo sondrian-tory voasandony avokoa.

Fa ianao kosa...
Meteza tsy ho voarebiny
Amin'ny fahadisoan-keviny
Diovy ny ao am-po, aza avela ho voafandrika
Mitandrema mafy, fa ny ratsy tsisy tandroka.
Vimbino ilay fanilo mitondra ny hazavana,
Fa hitsilo ny eritreritra sy handrava ny hadalàna
Hikosoka ireo vovoka manditsoka ny maso
Hanafoana ny hosoka mitondra ny ankaso
Ilay mason'ny fanahy sokafy hifoha hatrany
Mba ahay hanavaka ny ngidy sy ny mamy
ny tomany sy ny setroka, ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy lainga ny adala sy ny hendry (...)
Ka n'aiza n'aiza aleha, ny sainao tsy ho very,
Ilay afon'ny masoandro no velomy hitoetra anaty,
Ka ny heriny fikiro, tandremo tsy ho faty.

Tara-masoandro
17/12/2019
--------
Rohy:
661 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171