You are here: home > Vetso

HANTAHANTAKO - Tara-masoandro

Azo vakiana?

Hatory an-tratranao
No mba tena faniriako ry volana eny ambony
Hiara-tsambatra aminao, ka ho foana tsy hisy intsony
Ireo nofy ratsy mankalao,

Fa hitony an-tratranao
Ny faka-lalin'ny fisiako
Dia soloinao nofy mamy ireo ngidim-pahoriako
Mba hitempo an-karavoana ilay aina anatiko ao...

Izao oa ry volana eny ambony no mba tena fifaliako
Dia ny hianta eo aminao toy ny zaza mila reny
Te ho voarotsirotsy amin-kira sy amin-teny,
Tena mamy toa tantely sady tena tiako.

"Hatory an-tratranao"
Izany no mba hantako ry volana eny am-bony...



Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha