RANOMASIM-BE (Tara-masoandro)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany, injany fa toa reko
manakoako mafy, avy any am-paralalina tsy taka-maso
Ilay feonao mambabo,
sy manainga ahy avy hatrany,
miantso ny fanahiko hifantoka any ho any.
Ireo masoko, antsoinao hitodika, hitazana ny hankaton'izato lokonao
manga manjopika, tarafin'ny masoandro
Ny onjanao malefaka arahina tso-drivotra
mampisokatra ny saina, mampanonofy atoandro.

Ry ranomasim-be mpitondra lavitra any
Andraso kely aho re, fa hanaradia anao
Aza avela aho hanirery sy hifikitra eto an-tany
Fa ento kosa hibanjina ny tena halalinao...

Tara-masoandro
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1126 1
Hevitra mandeha
Tara-masoandro ( 25/11/2019 22:48)
Misaotra indrindra tompoko nanisy feo ilay tononkalo fa tena farak'izay tiako ny nanaovanareo azy. Tena mankasitraka :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102