NOFIM-PAHASAMBARANA - Tara-masoandro
Azo vakiana?
Nahiratro ireo masoko, niandrandra indray ny lanitra
Ny masoandro dia namiratra, ny rivotra koa manitra
Nidoboka ny foko, dia nitsiky koa ireo molotro
N'oviana ko tsy takatro, ireo feo izay ren'ny sofiko.
Horakoram-pifaliana an-jaridaina kanto
Mozika tena mamy arahim-peo milanto
Misy koa mandihy, ravoravo miran'endrika
'Zany ka lanonana, soa sy tena mendrika...
Ireo manodidiana ahy, toa rakojava-maitso
Mitonitony ny fanahiko, milamina ny saiko
Lavitry ny rofy, salama aok'izany
'Zany angamba kosa, no hoe: "paradisa tany" ?
'Reo sakafo maimaim-poana
Mahavoky ireo izay noana
Ireo asa tsy mahasasatra
Fa maivana sy lafatra
Tsy misy na dia iray ny endrika malazo
Toa miaina am-pahasambarana, na olona na hazo
Mandefa hery tsara arahina fitia
Endrim-pahazavana no misoritra ho doria.
Na dia kely monja tsy ahitana sorisory
Fa tanim-piadanana, tsy misy miady akory.
Mifanasoa ireo olona, mifampitsinjo hatrany
Mahatamana kosa, ny tsiron'ity tany (...)
Saingy indrisy izany fa...
Nofinofiko ihany, sarisary an-tsaiko
Na dia tena tiako sy tena hoe lalaiko
Kanefa, tiako hiainana tsy hanam-pitsaharana
Dia hiainako ilay nofy, nofim-pahasambarana...
Tara-masoandro
13/03/2020
16:54
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Tara-masoandro

Nampiditra : Tara-masoandro
Daty : 13/03/2020
Mpamangy : 446
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ILAY POETIN'NY FITIARY ILAY DIARIKO MALALA
MARAIM-BAOVAO
MIFANINGOTRA AINA
AKON'NY TARAM-PITIAVANY
MIFOHAZA IANAO FANAHY
HANTAHANTAKO
RANOMASIM-BE
ALINA MANGINA
DIA LAVITRA ANATIN'NY SAINA