IO FITIAVANA IO IHANY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola tsy ary akory isika: tsy ary Idada, tsy ary Ineny,...
Dia efa voaventy tany ho any 'lay rindran-kalo, tsisy teny!
Nofonosin-drindrin-tafa teny an' habaky ny lanitra
'Lay zava-bita tsara indrindra, noforonin' Andriamanitra!

Ny horakoraky ny bitsiky ny tafatafa tsisy feo,
'Reo antsoantson-gina moana sy kalokalon' ny toreo
No fatotra mampifandray ny samy tsy hita nifangia,
Ka mampitambatr' olon-droa mba hifanaiky ho doria!

Dia mitsiry ny fitiavana sy mitrebona ao anaty!
Misamboaravaoara, te hitroatra; miredareda toa tsy ho faty
Fa ho velona ho nofo sy ho taranaka voaomana!

Fa any ho any, eto ho eto,... Eny, n' aiza n' aiza izany:
Tsy misy velona tsy miaina io fitiavana io hatrany!
Fa io no lalam-pahariana sady rindram-pahavelomana!
--------
Rohy:
1402 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 03/10/2016 14:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104