TSINONTSINONA AHO - Teboka Telo
Azo vakiana?
Kely sady bitika aho, kely sandry ka mifona
Mora lavo mikodia raha misy sahy mandona!!!
K'avy hatrany dia mirona...
Rah tojo mpila ady, ngeza tratra misafoaka
Tsy mba haiko ny komondry k'aleoko dia mitsoaka
F'izaho tsy mahtanty sôka!!!
Haingo sy lamaody ve, sa akanjo tsara didy?
Tsy mba azonay natao ny nidongy sy nifidy,
Fa zaitra an-tsana, fara-fidy!!!
Ka izay nomena anay : tsotra tsisy be parady
No tenaina isan'andro sy anaovana Alahady,
Nefa, rovitra sahady!!!
Ny fahaizana ary ve no andeha mba hadera?
Olom-bado rah ty zaho, votsa na mitana fera!
Tena mitaveravera...
Izaho no bado, tsy mahay; tsy manana talenta hafa,
Afa-tsy mitoto vary sy mitazona kifafa,...
Zany aza mbola hafahafa!
Tsara bika angamba aho, dongadonga, bakobako!
Fa ts'izany velively fa ny tava, he, RAJAKO!!!
Zay aloha dia lazàko...
Masobe midiridiry, volo zara misy sanga,
Molotra mivindavinda ary nify bangabanga,
Sofina lava sy ranga!!!
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 04/08/2014
Mpamangy : 1174
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HO ANARIN'NY FIAINANA!ISAKY...
FANADINOANA?
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!