Antson'i mbola tia (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antson'i mbola tia

Sinepotrin'ny rivo-mamanala ny ampitsoko aho
Malala ô?
Mivezika mitady ny hasambarako fahiny
Miverina mi-haody ilay fonao aho, malala ô
Te hiaina indray ilay hanitra teo anilanao iny

Miredika matsiaro ireo vitan-tsika rehetra
Mivavaka mangina aho mifona hoan'ny foko
Fa gadran'ny omaliko ilay tsiky te hitoetra
Tsy ho hefako ny sazy... f'ekeko ny hadisoako

Malala ô
Lalovako matetika ilay "toeran-tsika" ireny
Ilay faly nafanain'ny ny fisin-tsika roa
Hoseraniko eny dia novangiako kely
Dia... injany fa nifoha...

Izaho ve no adala sa tokony aho hamohy?
Malala ô? Sa tokony aho tsy hatsiaro?
Sa tokony aho tsy hijery izay any aorina intsony ?
Sa tokony aho hangina?
Sa tokony aho hionona hahalala fa tsy tiana?

Malala ô
Miteniteny foana anie ilay "mbola tia anao" e
Angamba resy ihany ilay mafy loha taloha
F'ilay "tiako ianao" omaly mbola ao ambavako ao
Miandry anao hifoha
Miandry anao hatsapa izay tsapako ihany koa
Miandry anao hanohy ireny vitantsika roa
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Alahelo - Fiainana - Fitiavana
250 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098