Diso (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ditra ange ny antsika e, Efa hitanao ny marina
F'ianao mbola minia sy miezaka manarina
Mikolo tsy ankiteny sy angalatra sonia
Fa lainga izay ho matotra na tia ianao na tsy

Satrinao fa haiko ny lalanay hisampana
Ny andratra ny fony sy animba ny tantana
Ekeko nisy isika fa lesoka nandalo
Tiako loatra izy ka tsy foiko atakalo

Izy tsy mba diso fa antsika ny hadisoana
Ka aza avela ho izy no hibaboka hifona
Fa tia ahy koa izy haiko ny ampony ao
Efa izy ilay notiaviko sy ilay talohanao

Ka ny amitsika raiso ho tsiky diso tendry
Fitia diso fiantefa na ditra mody hendry
Tiako ianao fa saingy, efa izy ilay malalako
Avelao ny lasa meteza ianao ho namako
--------
Rohy:
229 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142