Fery hiombonana (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...fery hiombonana

Laingalainga ny hoe very dia efa samy nanadino
Ilay sary notsipelatra lazaina ho paradisa
Fa tsy izaho irery fa isika samy mino
Hoe mety mbola hitohy ilay tantara-kelitsika

Ratra kely hiaraha-manana anie izy io malala e
Toetra ratsy nitovizana ilay manamafy fo
Tsy misy iray disoana fa f'isika no adala
Misangisangy ratsy ny anjara tsika roa

Vetso iray iraisatsika ilay mbola manimanina
Tsy mety manadino ireo vita sy natao
Marary ny fo fa mody hodiana fanina
Terena tsy hatsiaro izay rehetra momba anao

Dia hiandry ovina ihany vao ho lefy ny hambopo
Ovina no hiverina hitohy indray ny dia
Fa mihomehy no malahelo aho misaina antsika roa
Fa toy ny zazakely mataotra mitia
--------
Rohy:
218 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158