Haiko (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa haiko fa tsy ahy ireny sentonao mangina
Lazainao sisan'embona mandalo ny tsiaro
Fa kalo ratsy tefy noterena hiady rima
Ilay "tiako ianao tsy andalo"

Efa haiko fa ny sariny no mby andohanao
Rehefa iny ianao variana tsy mahateniteny
Fa hosodoko moana ireo vita sy natao
S'ilay voady tamin'ireny

Efa haiko fa nindraminao ny sombi-teny mamy
Nomenao nahamamo ny foko mora lavo
Fa hiran'olo manina misiotsioka tomany
Ilay "tia aho dia mba tiavo"

Efa haiko fa ny anarany no ambadik'ilay "tiako"
Nasalotrao ilay "tokana nambabo ny ati-fo"
Fa tantara mamy anatin'ny haizim-pito
Ilay "ilay nofin-tsika roa"

Efa haiko ianao mahay fa mody tsy mahalala
Hoe tsy ho mahandrakizay ity "sombim-panaperana"
Fa halatra hasambarana niharo adalana
Ilay "isika roa.... hiserana"
Efa haiko

--------
Rohy:
159 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014