Jamba (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jamba!

Tsy tsapanao f'angamba ny fonao efa jamba
Tsy hatazana hafa intsony akotran'ny fitsikiny
F'izaho 'lay sasa-miandry ny hamenonao ny banga
Nahilikao antsisiny

Dia maminao na tsy ampy aza ny kely izay natolony
Tsy hanampy anao hafana f'hitarika fanala
Ianao mandray ampo fa ny azy hatreo imolony
Eny e, tia ianao dia adala

Toa satrinao ny handefitra ny bediny mazàna
Ny hiafy tsy hisainy ilay izy any an-kafa any
Fa n'inona aza ho ditrany d'ianao efa tamana
Efa zatra raha tomany

K'izaho aleo hangina, f'hivavaka aho angamba
Ho rakotra hafaliana izay rehetra atao
Eny ampiako kely hoe "ianao tsy mba ho jamba"
Dia... ho sambatra ihany ianao...
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Alahelo - Fitiavana
320 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108