Ny fahalemeny (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahalemeny

Tsy nitiavanao azy iny
Ilay izy toa voahozona hilanja sy hiambozona
Kilema tsy niriny...
Fa satriny aza anie
Hitovy sy ho sahala amin'ny olo-tsisy tsiny
Ho tahaka ny rehetra...

Di nahilikao hianjera
Hitomany fanipitony ny fisiny eto antany
F'izy anie manan'kilema
Nasongadinao ho heloka nini-nataony izany

Novosiranao ny enatra tanaty fikirizany ho tonga olom'banona
Dia natosikao hihemotra hanagadra n fanahiny amin'rindrin'ireo tranony

F'izy andingana tsy ho afaka na be aza ny heriny hiala fanesoana
Hainy f'izy tsy mba lafatra hitsara anao tomady dia naleony nifona

Nilatsa-dranomaso izy ilay nivavaka niangavy tamin'ny lanitra hanafaka ny gadrany
Tsy ny vatany farofy no hangatahiny anandaja fa ny fahitanao azy na kely fotsiny aza

Mba ho tsinjonao ilay fony, mifono ilay fitiavany
Mba ho henonao ilay bitsika tsy voalazan'ny vavany
Mba ho tsapanna ny anatiny mikiry fandresena
Mba ho tazanao ilay tsikiny tsy misy kilema

Fa izy efa nisaotra ny ambony tamin'ny fiainany
Dia efa nekeny izay tsy maintsy ho diavina
mba hiriny ho henonao injany fanaintainy
Mba ny masonao no hijery amin'ny fo feno fitiavana
--------
Rohy:
185 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1116