Tsy vita mora (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vita moramora????

Nifanaiky tany aloha
Fa na ny ratsy na ny soa
Dia hiarahana mizaka

Nivoady ny ho eo foana
Ka tsy ho levon'ny fotoana
Na ho tsiky na ho ratra

Dia hoe zao ianao no leo
Ka ho faranana eo
Ilay fiarahana hatrizay

Nga izy ito sangisangy
Ka raha sendra misy ny ady
Dia hoe vita, aoka izay

Fa zava-poana angamba
Ilay foko kely jamba
Nijaly tamin'ireny?

Tsy misy dikany ilay saina
Mahonena mitaraina
Niandry anao hiteny?

Ireny teny izay nafafiko
Ireo ady tamin'ny rafiko
Ireo vavanao nandratra

Fa fijaliana no niaretana
Dia zao nasina fetrany
Dia hanorina any an'kafa?

Ataoko adala ianao malala
Fa minia tsy mahalala
Ireny tanjona fahiny

Fa ny foko angaha sekoly
Nataonao hialana voly
Ka hialana raha tsy tiana?

Adino ve ireo rediredy
Sy tsy mahalala bedy
Raha iny andeha ampiaraka

Ireny tsongo sy hanihany
Dia avela ho raraka any
Fa zao hoe ndao hisaraka?

Tsy mora anie ry tiana
Ilay miezaka mangina
Miandry ny andro omaly

Ilay tsy mety poizin'tory
Fa satry foana hitory
Vao tsy anilanao mijaly

Ilay mitaraina rehefa noana
Ireny tsiky rehefa mihaona
Ny halahelo rehefa ody

Ireo ranomaso lasa ireny
Irony tanjona kendreny
Dia tsy ho avelanao ho tody?

Mba saino ihany akia ny ho avy
Fa aza avela ho ravan'ny ady
Ireo nitambatra efa iray

Ka na basy aza ny hirefotra
Dia mila mifandefitra
Raha te ho mandrakizay

Ianao no efa anjarako
Sy hameno ny tantarako
Na tsiky na tomany

Dia mila isika mifanaraka
Fa kosa ny ilay hisaraka?
Laviko haviatrany✋✋
--------
Rohy:
196 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101