Vavak'i Anja kely (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô!!!

Nolazain'i neny omaly
Fa raha toa ka misy jaly
Na halahelo izay tsy zaka
Dia Ianao no mampitraka

Nolazain'i dada ahy koa
Fa raha misy ny manjo
Mapanjombona ny saina
Dia Aminao no mitaraina

Tompo ô!!!

Malahelo anie ny foko
Rehefa i neny mitoloko
Voa-opa sy voavazavaza
Toa ampijalian'i dada

Mba miezaka aho miteny
Fa indrisy tsy mba reny
Efa mikiaka aho no mibada
Hoe aoka izay fa aza miady

Tompo ô!!!

Ory foana anie ny foko
Rehefa i dada no misotro
Gina tsy mahita teny
Hono leo ny ataon'i neny

Tsy mankaleo azy hono
Ny midaroka mamono
Fa i neny toa be vava
Tsy mipetraka ho vehivavy

Tompo ô!!!

Tia tena loatra ry zareo
Tsy mahita ahy mitoreo
Te anontany aho fa tsy sahy
Dada sy neny ve tia ahy?

Fa isan'andro dia miady
Isanandro koa aho miandry
Tompo-nay ô, mba tantano
Mba ho faly ny ato antrano

Tompo ô!!!

Efa impiry aho nanontany
Efa impiry aho nitomany
Efa impiry aho nahonena
Efa impiry aho nanantena

Leo ny ety aho mitoreo
Ny amin'ny adin'dry zareo
Ka ny hevitro dia izao
Ento aho ho eny aminao
--------
Rohy:
158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143