Avotsory - Telomahery
Azo vakiana?
Tsy rariny intsony ny zavatra ataony ,
Fa angamba efa mahazatra na efa fanaony
Raha tonga ny maraina izaho mikalo voninkazo
Fa ny azy kosa mitango mba halazo.
Ekeko ny fitiavany hamboraka sy haka
Kanefa io felam-boninkazo io misaringotra amin'ny faka.
Ampahafantariko azy fa manina ny vony
Ka andrasako eto izy dia izaho tsy hiteny intsony.
Raha lasa iny inoako fa hitomany
Fa voninkazo tsy mahasaraka ts natao ho amin'izany
Fitiavana madio no efa nifanarahanay
Dia ny hifankatia fatratra hivady rahatr'izay.
Vonona izahay ny hisedra handresy fahavalo
Koa fitia mandra-maty tsy azo atakalokalo
Ka iangaviako ianao avotsory ilay tiako !
Fa mifankatia izahay dia izay no faniriako.
Tsy ho hadinoiko ianao amin'ny adro fampakarana
Amin'izay fotoana izay tena fitia no ifamaharana .
Fa fitia mandrakizay izay no tanjonay
Ho ray sy reny sambatra
Hoan'ny Tanidrazanay .
Telomahery 12 mai 2015.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Telomahery

Nampiditra : telomahery
Daty : 11/07/2015
Mpamangy : 952
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ny volamanodiava
raha misy
TEO Nafoiny ianao ilay ti
VAHOAKA, Zandry a! Jereo
Taratasim-pitiavana. Mial
Lasa any iny
Mankaiza
Aza maty
mafy orina