Taratasim-pitiavana. Mial (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasim-pitiavana.
Mialohan ny hamakianao ny taratasiko dia fantaro fa efa lasa aho.Nandeha ny volana, nitohy fiarahantsika:tsapako fa tena tia ahy ianao izaho koa efa nanokana ny amiko ho anao.Nosoloiko varavaram-bato anefa ny varavaranay io hariva io.Simba mantsy ilay hazo nataon i Dada fahiny dia ilay karazan-kazo tsara tsy mirehitra ireny.Efa ela tokoa iny niasa teo,rivo-doza maro no efa nifanesy teo;niavaka i Farafaty farany iny.Ny olona rahateo koa tsy nanisy olana ny hanoloako azy f ny hanolo ny fanoto ho solon'ny fanondro famoaha anay isa_maraina no narosony.Ahy ny trano ka zoko ny manao izay tiako atao aminy,na ireo mitady hiditra aza mbola safidiko,sao haka ny fanalahidy farany manimba fahanginako ato.Nasiako lavaka kely ihany anefa izy io ijereko ilay nandona az farany teo.Mety mbola hiverina mantsy iny satria mbola tavela ao ambadiky ny vavahady ilay solomaso nampidraminy nanaovako,ka tsy nahafantarany ahy tamin ny fihaonanay farany.Ilay vavahady ve?teo no nanamafisany fara-fitia nahitany ahy.
--------
Rohy:
2327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 16/09/2015 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011