raha misy - Telomahery
Azo vakiana?
RAHA MISY...
Raha misy manadala,
mitady hamaky vala.
Dia tiako ianao malala
ka arovako amin ny bala.
Raha misy misafidy,
dia raisiko ho adidy
mbola ity ny fanalahidy!!
Raha misy mitady haka,
tsy miambakavaka.
Dia ho avy aloha ny daka.
Fa ity tsy fiainan-tsaka!
Raha misy mitantara.
lazainy fa soara!
amin'ny fijery maramara.
Dia andrasako:ho avy aho hitsara,
Raha misy koa mialona
ny resaka nivalona!
toy ny fifanarantsika,
dia angamba efa ho aliaka!
Fa raha misy manontany
any ananona any,
izany rehetra izany.
Dia izao!!!
Ny ahy:ianao ihany.
Telomahery,23/07/15.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Telomahery

Nampiditra : telomahery
Daty : 21/09/2015
Mpamangy : 838
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ny volamanodiava
TEO Nafoiny ianao ilay ti
VAHOAKA, Zandry a! Jereo
Taratasim-pitiavana. Mial
Lasa any iny
Mankaiza
Aza maty
mafy orina
RARAKA !!!