You are here: home > Vetso

Mankaiza - Telomahery

Azo vakiana?

MANKAIZA

Ray aman-dreny pahana
mitarika amin ny lalantsy izy
tsy mitady fahafahana
fa mpamarina ny ankizy

Tsy androany teto vao nisy zavatra tsy tanty
na loza , aretina mandalo
fa fihantsiana valifaty
ny mitsangana ho fahavalo.

Ianao no hany nanankinana
nitokiana,nianteherana amin ny ho avy
kanefa ankehitriny mijoro mpifaninana
mamotika sady mamono mpianakavy

Koa aza miandry mitomany
sondriana variana misafelika
fa mivavaha anio ihany
fa mandalo ny eto an-tany.

10/05/2015 .19h