ny vola (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VOLA VE?
Izy no anankinana ny marina rehetra,
mandritra ny androm-piainanao.
Ambetiteny lavan'ireo tanora tarigetra
sy izao rehetra izao!
Ravola?ilay miantoka ny ankohonana,
Indrindra ireo ankizy.
Ilay fitady ifanakonana
raha sendra mba krizy!
Fa ianao?manahy ny ampitso lava,
mampiasa izay takatry ny saina,
tsy mahandry ny mazava,
fa avy karamaina!
Raha misy korontana
tsy mifidy...hatramin'ny firenena.
Ny vola fanavotana,
anehoana ny hafetsena!
Tandremo!ny vola anie mandalo.
Tsy ahavita ny androm-piainanao,
koa moa adala ny dahalo?
Raha manao izay tsy fanao!
Ny vola?tsara raha ananana.
Fa mahantra sady ory!
Ireo mpisalaka tanana
miventy hoe...izaho ampisambory!!!
Telomahery,okt 2015.
--------
Rohy:
1442 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 04/11/2015 12:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098