manodiava (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANODIAVA.
Manodiava manodiava!!!
Ireo maraina vao hisava.
Ireo rehetra vitanao!!!!
Ny efa lasa hatramin izao!!!
Lozanao mpietraketraka,
ny tantara anie mipetraka.
Todiho anie ny lasa,
mbola am-poko tsy voasasa.
Manodiava anao ny vita
hita maso tsy fahita.
Izany famadihana ny marina!!
olo-dratsy mpampivarina.
Manodiava ny aty aoriana,
izany tena fahoriana.
Napoitranao tamin ny hafa,
ireo taranaka??? aoka ......hifafa.
Manodiava ny hatezerako
mbola hoa avy ny hanoherako.
Ireo tsy rariny naseho ,
ny vahoaka???........ho avo feo.
Manodiava !!manodiava!!!
mbola ho avy ny mazava.
Ahazoako tombon andro,
ka ibaliaka ity masoandro.
Sendranao ny lalanay!!???
olo-dratsy fanafay.
Ratsy !!!nilaozan ny fanahy.
Ry andriamanitray mpitahy.
Telomahery ANDRIAMAHANDRIMANANA.Aout 2015
--------
Rohy:
1149 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 21/09/2015 09:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01