You are here: home > Vetso

RARAKA !!! - Telomahery

Azo vakiana?

Mandehana ianao mamangy
Ilay niarahana nisangy
Dia mba jereo ny voninkazo
Fa efa reraka malazo.


Rehefa tonga any ianao hitraka !
Hitadidy indray maka.
Ilay fitia nangalarina.
Efa tapaka sy farina.


Hitanao ao ilay  hazonanome aloka.
Maty maratra feno kapoka .
Niarahana nitia andro_paka.
Nitantarana ireo tsy zaka!


Mbola ao. ilay vato nitorahana
Nitadiavanao fahafahana.
Ka iangaviako tsy hitomany .
Fa safidinao ny androany!


Telomahery 15 may 2013.