mety (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana?
Ilay tsy hay tefena
Tsy mety raha terena
Mety ho tongatonga ho azy
Na koa mety anaty vazivazy


Fitiavana,.?
Ilay tsy hainao faritana.
Mety miankina amin ny vintana.
Mety teraka androany.
Mety rehefa any aoriana any.


Mety hipololoatra avy aom po.
Mety ifanaovan olon__droa.
Mety teraka any am pianarana.
Mety amin ami ny androm _pahasambarana.


Fa io fitiavana io.
Matetika madio.
Mety hita ety ivelany.
Mety ho tazanao ny elany.

Mety efa fantantrao!
Fa ny tena fitiavana.
Tsy ahitanao fandavana.
Mitia,mahazo izay ilainy.
Mahasahy manamby ny ainy.



Telomahery tany
AMBARILAVA 07 JONA 2015.
--------
Rohy:
936 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 16/07/2015 10:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103