Hitia ihany (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mangidy sy tsy laitra aza
Ny kapoaka izay hogohiko
Noho ianao, noho ny hafa
Izay tsy maintsy hotiaviko
Dia tsy hampaninona ahy
Hitia, hitia hatrany.
Ka ny fanakanana ahy am’izany dia holaviko.

Na ho zary fijaliana, tsy hahitako fifaliana
Ny valisoa mba ho azoko, hampaninona ahy moa ?
Fa ny tanjona ho ahy dia mitia, mitia ihany.

Ka na mafy toa ny orana mikijam-pahavaratra,
Sy toa ny renirano mikoriana tsy hitsahatra.
Ny fiboiboikan’io ranomasokeliko io,
Dia hitia ihany aho,
hitia, hitia, hitia hatrany.

Saingy...
Ny fitiavana iriko hitiavana anao,
Tsy mba iandrandrako valiny.
Ny fitiavana mba tiako hifankatiavantsika roa,
D’ilay tsy fantatra... fa misy.

Ka na tsy hitia ahy aza ianao,
Izaho kosa tsy hitsahatra hampitepo izany foko.
Eny e, na hivadika aza ianao
Ka hanameloka ny foko
Ny fitiavana nananako
Tsy hosoloiko tsy hovonoiko
Fa hitia aho hitia mangina,
Hitia aho fa tsy ho tiana.

24 mars 93, 22h 10
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo - Fitiavana
33347 15
Hevitra mandeha
hery ( 30/09/2003 20:52)
Fantatro fa misy hitsikera sahady ireo mahalala ahy. Fa tsiky dia ampy fotsiny.
Euh... fony nanoratra tononkalo aho dia tena entin'ny sentimaka fotsiny fa tsy mijery rima. Ny gadona no tena nilofosako. Mety misy manana fomba fanoratra tsy mitovy amin'izany.
Misaotra sahady e :)
Oully ( 01/10/2003 10:26)
Aza manahy ianao fa tsy tsikera no tonga tao an-tsaina voalohany fa fankaherezana. Mitiava raha izay no ao anatinao, nahoana no hofehezin'ny zavatra ety ivelany ?
Sambatra fotsiny ilay olona notiavinao tamin'ny daty nivoahan'ny ainganao tamin'io.
hery ( 01/10/2003 10:31)
Izay ilay lazain'i Ryana foana hoe tsy voatery ny tantaram-piainan'ny mpanoratra no apetrany rehefa manoratra izy.
Misy koa fisehoanjavatra sy ny sisa.
mampikanto ( 01/10/2003 11:08)
Hery,
Tsiky dia mapy tokoa e! Hay ise manantalenta b toa izany a!
Alefa indray ny manaraka e!
Misaotra e!

Mampikanto
rfanjav ( 14/10/2003 15:49)
Mila mitandrina ianao na izany aza fa ny afo anie tsy maintsy mandoro e!
Fa maninona kay ny zavatra soratanao no toa ohatra ny mitalaho foana toy izany?
hery ( 14/10/2003 16:04)
e rfanjav !!! Efa hoe aza manao analizy ho'a nareo fa tononkalo daholo ireny... hmmm ny olona dia miezaka hampifandray ny tononkalo amin'ny mpanoratra foana an.
Mbola hitohy
rfanjav ( 16/10/2003 10:49)
Ka izay no nampianarina anay fony mbola nianatra ka,
"fakafakao io tononkalo io dia tsoahy avy @ io ny mety ho tantaran'ny mpanoratra"
sa ianao tsy mba nanao an'izany?
Tsy hoe tsiky dia ampy fotsiny ihany!
hendry ( 08/05/2004 12:11)
Zay zany ilay hoe na ho vy na ho vato.
hendry ( 08/05/2004 12:11)
Zay zany ilay hoe na ho vy na ho vato.
Bocassa ( 06/09/2005 12:47)
Mampisento be lé izy fa dia aza atao tafahoatra toy izany e!manjary mampilatsaka tomany anie e!. Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152