Ho vidin-dranomasonao (Tsiky dia ampy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny mombamomba anao rehetraMikasika ny fiainanao
Dia voatantaranao tamiko.
Ny alahelo ts’isy fetra
Namono ny fitiavanao
Izay te-hiantefa amiko
Dia navadikao tomany
Ranomaso tsy hita lany.
Ka ho vidin-dranomasonao
Dia atolotro ny tsikiko
Mba hampitsiky anao koa.
Ho vidin-dranomasonao
Dia hariako ny hadalàna,
Ny rendrarendra sy ny sisa.
Eny vonona aho mba hanao
Izay fara-tratry ny aiko,
Ho vidin-dranomasonao
Ka mifalia sombinaiko.
--------
Rohy:
Hevitra mandeha

maeva74
(
16/06/2009 16:37)
Iny ilay tsikinao natolotrao ho ahy iny
Iny ilay vidin_ dranomaso
Iny ilay vidin_ dranomaso

Mionitra
(
24/02/2010 09:00)
Azo lazaina amiko hoe alahelo io tononkalo io,kanefa koa aingam-panahy.

colombes
(
16/09/2010 12:56)
Tsara!sady mampahery no mapitsiky.

lonlee
(
23/05/2011 08:27)
Tsara be !!

feno_heri
(
06/02/2012 07:23)
Feno fitiavana! Tiako.

Beka
(
19/11/2014 05:45)
Tiko

andry 1000
(
15/04/2015 06:11)
tsara be le aingam-panahy

ampasanomby
(
04/06/2017 09:43)
Mafinaritra e!
Hametraka hevitra
Midira alohaAntsantononkalo
Nantsain'i
Audio Player