Lasana (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasana nidify tsy azoko notanana
Ilay sambo kely nataoko ho tena namana.
Lasana nisintaka tsy azo nosakanana
Nalama sy niala ka nikopakopatanana.

Lasana satria... lany ny fitia
Nataony vatofantsika hifaharana ao am-poko.
Onja mafy loatra no niaretany tety.
Tsy ho zakany intsony ilay tanam-bokovoko.

Lasana hitady fiantsonana vaovao,
Ambony vatolampy haharitra doria
Hazo boboka hono mantsy izany foko nankalao,
Ka tsy hita ho antenaina, ho rehareha, hiara-dia.

Nanempotra azy mafy mantsy, sady efa nankaleo
Ny rivo-dranomasina mba hitany tety.
K\'indro lasana izy fa izy rahateo...
Sambo be mpitady, maro mpakafy.

E ry sambo kely nitondra ahy hiampita
Dia hadinonao daholo ireo zavatra efa vita?

Ekeko fa tafiotra sy rivotra mahery
No notetezintsika niarahana nihafy
Tsy nampoiziko ho ianao no tsy hahari-pery
Nalaky nikolay rehefa tojo onja mafy?

Lasana any izany ianao hitety onja vaovao
Lay kapiteninao ity reraka sy valalanina.
Tsy azo antenaina intsony, ka tso-drano no atao.
Ho tafita soa nareo sy i Kapiteny matihanina

11-oct-2003
--------
Rohy:
5252 3
Hevitra mandeha
Oully ( 13/10/2003 12:52)
Toa miankina amin\'ny fitondran\'ny kapiteny ihany no mahalasa ny sambo na tsia.
rfanjav ( 15/10/2003 08:21)
F'angaha rehefa tena tia mahazo mitsoaka an-daharana fa tsy tokony hiaraka hizaka ny onjan'ny sambo eo!
rfanjav ( 15/10/2003 08:23)
Misy antony kosa angamba izy matoa nandao anao!
lanto ( 18/10/2003 00:02)
Tsy misy hadisoan'ny "sambo" izany ry Kapiteny ! Manome tsiny ny sambo ianao sady mandetika tena... Sa kosa fialan-tsiny noho ny ianao tsy naharaka izay tadiaviny ?
hery ( 19/10/2003 22:21)
Euh, fanadihadiana re izao e. Aleo ary ny mpanoratra hiteny.
Matoa tonga teo antsasa-dalana ny sambo dia nisy zavatra tsara ihany niarahana. Fa rehefa tonga teo antsasa-dalana dia mi-abandonne ny kapiteny iray. Ilay sambo anefa mbola te handeha... dia tsy maintsy mitady kapiteny vaovao.
rfanjav ( 20/10/2003 09:00)
Tsy nahay nikarakara ny sambony tsara kosa angamba ilay kapiteny, ka naleon'ny sambo niova lasy ! Izany izy hoe "sambo": natao hitety ranomasina fa tsy hipetraka fotsiny eo imorony!
Oully ( 16/12/2003 17:56)
Aiza ho aiza izao ny sambo sy ilay kapiteny?
Rendrika sa mba tafita soa aman-tsara?
hery ( 12/01/2004 19:38)
Raha miteny aho hoe recupéré dia iza no heverinareo? Lé kapiteny sa lé sambo???
Clarys ( 14/05/2004 18:42)
O letia f'angaha ho récupérévana moa fa tsy avela hitady kapiteny vaovao. Mampihomehy be le mpanadihady rehetra an ! Raha mba fantatr'izireo marina manko fa...
Mahafinaritra kah ! Misy koa anie kapiteny efa leon'ny passage-ny tsy miova é ! Dé indraindray ny sambo no omena loza hoe...en panne hi hi hi
Manitra ( 16/05/2004 05:11)
Matetika koa ny kapiteny anie efa manana ny trajet mahazatra azy ka tsy mety miala amin'izany nefa ny sambo te-hitady toeran-kafa. Nefa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hahatsiaro ilay kapiteny izay efa zatra azy ihany. Sa ahoana hoy ianareo ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107