Anatra (ry sombin'aiko) (Tsiroa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho feno lonilonyny fonao na dia trotraka
fa mba ho felana mamony
ka ho fitiavana no hiposaka
Ny mamaly ireo ratsy
tsy ho fahazarana ho anao;
fa ny fitiavana manampy
reo piara-belona aminao
Ny miatsara vela-tsihy
tsy mba zava-mahasoa
fa ny fo feno fitia
no tsiry tsara ho tonga voa
Ireo mahantra re tsinjovy
ampio zareo mba ho tafarina
ny fihavanana tandrovy
fa tsy ho kosoky ny marina
ny fihalonana hialao
ny toetra tsara tsy alefa
reo fomba tsara amam-panao
no aoka hiraikitra ho toetra
ny loko-koditra tsy hipaka
tsy hitsarana ny tsirairay
reo mihevitra hanambaka
no ataovy mahamay
reo mpiray fihaviana
aza hiomezana raha lavo
mba ho tena fifaliana
raha nahatratra toeran'avo
ny zava-marina aza avony
hanapenana ny tsy ampy
satria ianao tsy toy irony...
na dia samy Malagasy
ny mandainga re fadio
ny mamitaka tsy hatao
ny fahamarinana takio
Dia olom-banona ianao
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana
Hevitra mandeha
TENIMAMIKO
(
29/06/2012 15:59)
Tsara mihitsy ho fananarana ity tononkalo ity.
MIsy "indro kely" hanampiako anao : aleo mba tandremana ny tsipelina :
- mpiara-belona
- mihatsara vela-tsihy
- fialonana
- ialao
- lokon-koditra
- ihomehezana
Fantatro fa hain'ny mpanoratra ireo saingy maika aloha angamba izy teo am-panendrena milina.
MIsy "indro kely" hanampiako anao : aleo mba tandremana ny tsipelina :
- mpiara-belona
- mihatsara vela-tsihy
- fialonana
- ialao
- lokon-koditra
- ihomehezana
Fantatro fa hain'ny mpanoratra ireo saingy maika aloha angamba izy teo am-panendrena milina.