Tolona (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh! hitolona aho hatrany
ho an'ny tany nihaviako
Efa be ny mitomany
zavatra tsy mba hiriko

Eny noana ireo zaza
tsy mba manana hatelina
Efa trotraka milanja
hany ka domedomelina

tsy mba misy atao ambava
toy reo zaza hafa loko
fa tapa-kibo no sahaza
zay manindrona ny foko

Raha mandinik'aho, tomany
manontany tena irery
fa maninona ohatr'izany
ny mpitondra tsy mijery

Tsy hangina aho na hijanona
mandra-pa-drenao ny fehoko
Raha tsy tena olom-banona
lay mitondra ny Fireneko



Monday, 21 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo
1353 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 21/05/2012 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0665