Aloka (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zary aloka mitoetra
lny lasantsika iny
llay fitia tsy manam petra
Sy ireo zay vita fahiny
Aloka ,mandrahoa ahy hatrany
Manalokaloka ahy foana
Mahalatsaka tomany
Raha mbola misy ny fotoana
ltamberenany ato an tsaiko
Sy handalovany ao an dohako
Tena mankarary ny aiko
Mampihena ny finoako
Aloka mantsy sisa indrisy
No mitoetra anilako eto
Efa tsy hiova intsony mihitsy
Hoy ny foko velon tsento
Aloka milaza loza
Tandindona Mampatsiahy ratsy
Nefa izaho tsy afaka hiova
Fa aleoko hany aloha miafy
Sy amerimberina foana
llay endrikao zary aloa
Tiako ho hita manoloana
Fa tsy hoe hanlokaloka
Tandindona toa mistery
Manambara ahy a kolaka
F'ilay anjarako efa very
Saingy ny saiko no tsy folako
Tsy haiko ny hanodina azy
Hanadino ireo taloha
Toa tsy ho voalazako amin' azy
Fa efa aloka avokoa
No mitoetra sy miverina
Mampatsiahy ireo taloha
Rehefa injay fa mitamberina
Ka tsy miala ao an doha
--------
Rohy:
Sokajy : aloka
1513 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1033