FITIA VOARARA Fiz 3 (vals cristian)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanjo , ny asabotsy taorian' iny
Dia inona ary no niseho
Ilay isika roa mbola niaraka
No nipotra tampoka teo .
I Neny
Ka niondrika aho ,tena tsy nahajery
" Fa dia nahoana loatra ary
No toy izao foana ?
Tsy mba misy zavatra manjary
Fa toa fijaliana foana"
Nantsoin' i Neny aho
Fa ianao kosa nandeha nody
Natahotra aho ka nitalaho
Saingy tsy nisy fanafody
Avy hatrany i Neny
Tonga dia nivatravatra
Namelaka ahy sady niteny
Toa ozona miampy latsa
Afaka fotoana vitsy
Nilaza izy fa ho any aminao
Ary tsy nanaiky mihitsy
Raha tsy tany an-tranonao
Soa moa fa tao ihany ianao
Natahotra sy nitraotra ihany
Raha tsy izany dia izao
Nalehany tany am-pianarana tany
Niteny i neny ,mody nanatsafa kely
>
" Mpinamana fotsiny hoy ianao toa saika tsy nahateny"
>
Gina ianao toa velon tsento
F'izay vao tsy afaka intsony ...
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1095 2
Fans: valiis - miartiana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148