Hionona aho (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao aho re hisaona e
Avelao aho mba hitomany
Tsy mba misy mantsy ny fotoana
Tsy handatsahako tomany
Mafy loatra ka tsy zakako
Izato hetraketraky ny tany
Rahoviana re vao mba ho tsapako
zany fahasambarana izany
Ataoko angamba fa mbola ho nofy e
Tsy mino intsony aho hoe mbola hisy
Efa maro mantsy reo fanomezan toky
Saingy fitaka foana indrisy
Malahelo anao aho ry foko
Mahita anao mijaly mafy
Isanandro ianao dia mitoloko
Nefa ianao toa tena miafy
Eh ,tsy natao ho anao angamba hatreto
Izany ho tiavina izany
Fa fahoriana sy sentosento
Ankoatra izay dia mitomany
lzay no anjaranao ety
Koa mahaiza re mionona
Mba vonoy re ilay fitia
Fa tsy ho tafavoaka izato tolona
Ekeko hoe mafy anie ny tena tia e
Ndrndra moa a hoe latsa paka
Saingy ,izany ve sanatria
No hiaretana izay tsy zaka
Tsia kosa e,ampy izay
Miandrasa re izay anjara
Matokia ary aza manahy
Fa ianao anie tsy ho,lany zara e
Dia mionona ianao ry foko an
--------
Rohy:
2580 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149