Lay nandalo (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lanao nandalo anie
No tsy afaka ato an-dohako
Nahatonga ahy tsy hahare
Izay rehetra eto anoloako
Ianao nandalo mantsy
Tsy mba nitoetra ela akory
Ka tena,ila tsy ho tanty
Mampalana ahy hatory
Satria hanofy ahita anao
Miavona sy mampifila
Moa izaho ilay be talaho
F'ianao milaza fa tsy mila
lanao nandalo ihany koa
No mbahana ato an-tsaiko
Namela ratra tao am-po
Nanitsakitsaka ny aiko
Hay tsy azo hianteherana
Sy tsy menatra mivadika
Toy ny aloka niserana
Nefa niriako mba ho vadiko
Ianao nandalo iny ihany
No tsy nampisava ranomaso
Nanery ahy hitomany
Sy ny fiainako hikatso
Iny ianao nandalo iny
No nanimba ny amiko rehetra
Noho ireo vitanao fahiny
Malemy nefa mahery setra
Namela ratra tsy hay fafaina
Dia mbola ianao nandalo koa
Koa tsy sasatry ny mitaraina
Satria mahatsiaro ho tena voa
llay foko mbola tia
Na dia tsy afaka hanantena
Izay ho fiverenan-dry
Ka mijaly ,mahonena

vals Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1068 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098